HETSIKA

HETSIKA

  

 

 

G16

 

 

 

Fety

 

 

Zzz79

 

 

Fety 1

 

Fety 2

 

 

 

Globe 3

 

 

Er171

 

 

Hita tao amin'ny Televizionina Malagasy nandritra ny filazam-baovao amin'ny teny malagasy i Fredy JAOFERA ny alin'ny 23 0ktobra 2012. Nambarany tamin'izany fa ny anton-diany teto an-tanindrazana dia ny hanatrehany ny Fankalazana ny faha-60 taonan'ny HAVATSA. Ny mpanao gazety Jean Aimé RAMBELOSON no nitafatafa taminy tao amin'ny Carlton eto amin'ny sary.

 

Er175

 

 

Re tao amin'ny Radio ANTSIVA  ny Zoma 16 Novambra 2012 tamin'ny 4 ora tolakandro ireo tononkalon'i Fredy JAOFERA amin'ny teny frantsay hita ao amin'ny bokiny mitondra ny lohateny hoe : "AUTOMNE".

 

Er172

 

Vahinin'ny Radio DON BOSCO i Fredy JAOFERA ny Alahady 18 Novambra 2012 tamin'ny valo ora alina. Notantarainy fohifohy ny mombamomba azy ary nandrenesana ihany koa ny asasorany vitsivitsy.

 

 

Fredy jaofera 4

 

Fredy jaofera 2

 

Fredy jaofera 3

 

 

Amb 10

 

Tao amin'ny Ambasady malagasy eto Paris tamin'ny Fankalazana ny faha-55 taonan'ny Fahaleovantena ny 26 Jona 2015.

 

 

Marche

 

Moi 751

 

Fredy JAOFERA ao amin'ny FOYER DE GRENELLE ( 17, rue de l'Avre -75015 PARIS )

 

Arene 3

 

Tao amin'ny Arène de Lutèce eto Paris ( 4è arrondissement) tamin'ny sabotsy 27 Jona 2015

 

 

Vk42

 

Miantsa tononkalo i Fredy JAOFERA  eto amin'ny sary tamin'ny fetim-bokatry ny Fiangonana FPMA Port-Royal Arago natao tao amin'ny 124, Rue de Bagnolet, 75020, PARIS tamin'ny Asabotsy 07 Novambra 2015. Tazana eny an-tanany ankavanana ilay "carnet " feno asasorany fampiasany rehefa tratran'ny tampoka izy amin'ny fiakarana an-tsehatra. Ny tononkalony hoe : " ANDRIAMANATRA "                     " VAVAK'ILAY POETY "  ary " TENY ROA " no nataony tamin'io fety io.

 

L7

 

Lasim-piangonana tany SOUPPES-SUR-LOING. Nisy ny koranan'ny mpianakavy rehefa vita ny lasy ka fiantsana tononkalo no nandraisan'i Fredy JAOFERA anjara.

 

P 1

 

Tamin'ny fetin'ny SVK (Sampana Vehivavy Kristianina ) Fafats (Asabotsy 28 Mey 2016 ) tao amin'ny 47, rue Dulong , PARIS 17è no nakana an'ireto sary ireto. Niantsa ny tononkalony hoe : " NY RENY " sy " AMIKO NY RENY..." i Fredy JAOFERA teto fa ny ampitson'io (Alahady 29 Mey 2016 ) dia fetin'ny reny.

 

Er 88

 

 

757

 

 

 

Er 109

 

 

Nisy fotoam-pivavahana fohy natao teto Paris talohan'ny niaingan'ny razan' Itompokolahy Pasteur Richard ANDRIAMANJATO ho any an-tanindrazana.Mpanoratra ihany koa Itompokolahy fa tsy Mpitandrina fotsiny ary efa be ireo tononkalo nosoratany ho an'ny firenena mitaky ny fahaleovantena. Isan'ireo boky nosoratany no eto am-pelatanan'i Fredy JAOFERA izay mamaky tononkalo iray ho an'ny tanindrazana. Rehefa nifarana ny fotoana dia nisaotra sy nanao mandrapihaona an'i Fredy JAOFERA ny Ministra Ny Hasina ANDRIAMANJATO eto amin'ny sary.

 

Arbre 56

 

E104

×